Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:31 - Baiboly Katolika

31 mba hatahorany Anao eo am-pizorana amin’ny lalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eo ambonin’ny tany nomenao ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 ka mba hatahotra Anao sy handeha amin’ny lalanao izy ireo amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin’ny làlanao amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:31
8 Rohy Ifampitohizana  

dia mihainoa azy ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka; samy valio araka ny lalany rehetra avy izy, Ianao mahalala ny fony, fa Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,


«Ny amin’ny vahiny, tsy anisan’i Israely vahoakanao, fa avy an-tany lavitra, noho ny Anaranao lehibe, ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin’ity trano ity izy,


Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».


Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany.


Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan’ny olona Anao.


Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».


Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.


Izao ihany, matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy marina, amin’ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra