Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 6:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 ka mba hatahotra Anao sy handeha amin’ny lalanao izy ireo amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 mba hatahorany Anao eo am-pizorana amin’ny lalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eo ambonin’ny tany nomenao ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin’ny làlanao amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:31
8 Rohy Ifampitohizana  

dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka mamelà heloka azy; ary araka ny sori-dalana rehetra nizorany anie no samy hamalianao azy avy, satria fantatrao ny fony; eny, Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny olombelona.


«Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan’ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,


Dia hoy Andriamanitra tamin’ny olona: «Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena; ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.»


Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dàlana nataony.


Kanefa ao aminao ny famelana mba hanajan’ny olona Anao.


Namaly azy ireo i Mosesy hoe: –Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.


Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.


Izao ihany no ataoko aminareo: hajao ny TOMPO ka tompoy marina amin’ny fonareo manontolo, ary tsarovy ny zava-dehibe izay nataony ho anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra