Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 6:32 - DIEM PROTESTANTA

32 «Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan’ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 «Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan’ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra hankatỳ noho ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 «Ny amin’ny vahiny, tsy anisan’i Israely vahoakanao, fa avy an-tany lavitra, noho ny Anaranao lehibe, ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin’ity trano ity izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao ahinjitra,–koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:32
31 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe: –Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.


Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: –Raha mba afaka mankany amin’ny mpaminany any Samaria manko ny tompoko, dia hositraniny amin’izao aretin-koditra izao.


Raha ren’i Elisà olon’Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’i Israely, dia naniraka hankany amin’ny mpanjaka izy nanao hoe: –Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankatỳ amiko i Nahamàna mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin’i Israely.


Izany no hataonao amin’ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao sy hizorany amin’ny sori-dalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity.


tamin’ny fiarovana mahery sy fahefana lehibe; –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Ianao no namorona ny avaratra sy ny atsimo; mihoby Anao ny tendrombohitra Tabôra sy Hermôna.


Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.


Eny, olona maro sy firenena matanjaka no ho tonga eto Jerosalema hitady Ahy TOMPOn’izao rehetra izao ka hivavaka amiko.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


Nisy Grika vitsivitsy anisan’izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana.


Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin’ny faritanin’i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma;


ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.


Dia novalian’ireo hoe: –Avy any an-tany lavitra be izahay, tompoko, no tonga noho ny lazan’ny TOMPO Andriamanitrareo; efa renay manko izay rehetra nataony tany Ejipta


Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra