Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


159 Andininy Baiboly mampiady hevitra

159 Andininy Baiboly mampiady hevitra

Raha misy aminareo mahatsiaro ho mila fanahy hendry, dia mangataha amin’Andriamanitra, fa homeny anao amim-pahalalahan-tanana Izy, tsy misy fanomezan-tsiny mihitsy. Mora dia mora ny latsaka anaty adilahy, satria eto amin'ity fiainana ity dia tsy maintsy hahita olona tsy mitovy hevitra aminao foana ianao.

Kanefa, zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy tian’Andriamanitra hiditra amin’ny fifandirana amin’ny namanao ianao na hifamaly lava amin’izay manodidina anao. Ny tena tiany dia ny hanetry tena ianao ka hangataka amin’ny Fanahy Masina mba hampiharihary aminao ny sitrapony.

Fadio ny fifandirana sy ny adilahy mafana fo; na dia tsy azonao aza ny tenin’Andriamanitra, dia afaka mangataka fahendrena amin’ny Ray ianao, izay hanazava ny sainao amim-pitiavana. Hitarika anao ho amin’ny fahamarinana sy ny fiadanany Izy, izay mihoatra noho ny fahazavan-tsaina rehetra, ka handifotra anao.

Amin’izao fotoana izao, sokafy amin’i Jesoa ny fonao, aza matoky ny fahendrenao manokana ary tsarovy fa tsy anjaranao ny mamadika finoana na mandresy lahatra ny hafa, fa asan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra izany.


Genesisy 1:27

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 2:18

Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 19:5

Niantso an’i Lôta izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:13

«Tsy hamono olona ianao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 21:23-25

Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao efaina aina ny aina, efai-maso ny maso, efai-nify ny nify, efain-tanana ny tanana, efain-tongotra ny tongotra, efain-dotra ny voadotra, efain-dratra ny ratra, efai-mangana ny mangana.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:30

Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 25:8-9

Aza dia faingam-panohitra foana, fandrao tsy mahita izay hatao ianao amin’ny farany. Raha naniratsira anao ny namanao, dia tohano ny adinao amin’ny namanao,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 18:22

Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:13

Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 2:16

Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny Poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota?»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 2:24-25

ka hoy ny Farisianina taminy: «Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?» Fa hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nomery 31:17-18

koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin’ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy, fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 8:13

Dia hoy ny Farisianina taminy: «Manambara Tena Ianao, ka tsy marina ny fanambarànao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 20:16-17

Fa raha ny amin’ny tanànan’ireo firenena izay nomen’i Iaveh Andriamanitra ho lovanao, dia aza misy velomina ao, rehefa mety ho manam-pofon’aina koa. Fa atokany ho anatema ireo firenena ireo, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ary ny Jeboseanina, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 15:2

Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy an-daniny, handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 11:2

Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera, dia nomen’ireo mpino voafora tsiny,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 22:5

«Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa izay rehetra manao izany dia fahavetavetana eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 22:13-21

«Raha misy lehilahy nampakatra vehivavy ho vadiny, sy efa nandeha taminy, nefa tonga tsy tia azy indray, ka manendrikendrika azy amin’izay mahafa-baraka sy mahafa-pofona azy, manao hoe: Nampakatra ity vehivavy ity aho, kanjo nony nandeha taminy aho dia hitako fa tsy virjiny izy. Dia halain’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virjiny, ka haposany amin’ny loholon’ny tanàna eo am-bavahady. Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-drazazavavy, hanao hoe: Nomeko ho vadin’io lehilahy io ny zanako vavy, kanjo nony tsy tiany, endrikendrehiny amin’izay mahafa-baraka azy, lazainy hoe: Hitako fa tsy virjiny ny zanakao. Nefa indreto ny famantarana fa virjiny ny zanako vavy. Sady velariny eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna amin’izay ny fitafiany. Dia hosamborin’ny loholon’ny tanàna izany lehilahy izany, ka hofaiziny. Hampandoavina azy, volafotsy zato sikla izy. Ary homeny ny rain-drazazavavy izany, noho izy nanala baraka ny iray amin’ny virjinin’i Israely, sady hitoetra ho vadiny ravehivavy ka tsy azony isaorana raha velona koa izy. Raha tsy akaikinao anefa ny itoeran’ny rahalahinao, ka tsy fantatrao izy, dia raiso ao aminao ilay biby, ka ho ao aminao izy mandra-pahatongan’ny rahalahinao mitady azy, ary amin’izay dia haverinao aminy. Raha marina ihany kosa anefa izany, ka hita tokoa ny tsy maha-virjiny an-drazazavavy, dia hoenti-mivoaka ho eo am-baravaran-drainy razazavavy, ka hitora-bato azy mandra-pahafatiny ny mponina ao an-tanànany, satria zava-betaveta loatra no efa nataony teo amin’i Israely, tamin’ny nijangajangany tao an-tranon-drainy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 23:1

«Tsy hisy olona haka ny vadin-drainy na hanainga ny firakofan-drainy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 25:11-12

«Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin’ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tanan’ilay mamely azy sy maninjitra ny tanany mandray ankasarotana an’itsy mpanompo, dia tapaho ny tanany, aza miantra maso akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 15:3

Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Samoela 12:11-14

Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahako eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao; fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.» Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao. Nefa nampanesoinao an’i Iaveh ny fahavalony tamin’izany zavatra nataonao izany; ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 137:9

Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro, ny zanakao madinika amin’ny vato!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 23:13-14

Aza mitsitsy famaizana aman-janaka, fa tsy dia hahafaty azy akory raha kapohinao amin’ny tsora-kazo. Ny mikapoka azy amin’ny tsora-kazo, no anafahanao ny fanahiny amin’ny Seoly.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 3:1-8

Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro: Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny. Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa. Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana. Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra: vovoka no niavian’ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra. Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany? Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany? Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana. Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana. Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana. Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana. Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana. Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:7

Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 19:9

Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy; fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy azon’ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Fitomaniana 3:38

Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no mivoaka ny soa sy ny loza?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:25-26

Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany; sady nolotoiko tamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Amosa 3:6

Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Malakia 1:3

ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:17-19

Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:1-5

Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny. Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 15:24

Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 19:9

Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 23:9

Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 28:19-20

koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 10:6-9

Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 16:16-17

«Ny Lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin’i Joany, fa hatramin’i Joany kosa dia ny Fanjakan’Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona.» «Moramora kokoa ny hahalevonan’ny tany aman-danitra noho ny tsy hahatanterahan’ny Lalàna na dia ny tendri-tsoratra iray aza.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 3:36

Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 6:53

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:6

Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 1:26

Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 2:38

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 17:26-27

Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:18-32

Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany, satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina, Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka. Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen! Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy. Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 7:7-8

Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy. Dia io didy io no nohararaotin’ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 9:13

araka ny voasoratra hoe koa: i Jakôba no tiako, fa i Esao no hàlako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 11:6

Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa; fa raha avy amin’ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:19

aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 5:5

dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 11:5-6

fa ny vehivavy rehetra mivavaka na maminany kosa, dia manala baraka ny lohany raha tsy misaron-doha, satria hoatra ny voaharatra izy amin’izany. Raha tsy hisaron-doha ny vehivavy, dia aoka hihety izy; ary raha mahamenatra azy ny mihety na mihara-bolo, dia aoka hisaron-doha izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 14:34-35

Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany. Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 3:28

Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:22-24

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:12

Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:22-24

Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo. Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 4:3-5

fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 5:23

Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 4:3-4

Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 1:10-14

Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora, ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola. Hoy ny anankiray tamin’izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: «Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda.» Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana, sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 6:4-6

Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina, sady efa nanandrana ny hamamin’ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny asa mahagagan’ny fiainan-ko avy, nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:26-27

Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 2:14-26

Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe: Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako. Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, Fa moa te hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban’asa? Moa tsy ny asa va no nanamarinana an’i Abrahama razantsika, tamin’izy nanolotra an’i Isaaka zanany teo ambonin’ny ôtely? Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany. Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy. Hitanao amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana fotsiny ihany. Toy izany koa i Rahaba, vehivavy janga; moa tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy, dia tamin’ny nandraisany an’ireo irak’i Jôsoe, sy nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa? Toy ny ahafatesan’ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan’ny finoana tsy omban’asa koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:1-2

Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza, Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo. Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa ianareo? Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory. I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy. Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy. Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:17

Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:15-17

Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:9

Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady nateraka avy amin’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:16-17

Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka. Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra, fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 2:21-23

Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany. Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy. Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 3:16

fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan’ny vavako ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 3:16

Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:18

«Aza velomina izay zazavavy mpanao ody.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 11:7-8

Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo. Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 27:28-29

«Izay rehetra natokan’ny olona nataony anatema ho an’i Iaveh amin’izay rehetra ananany, na olona na biby, na tany zara lovany, dia tsy ho azo amidy na avotana, fa zava-masina dia masina an’i Iaveh avokoa izay rehetra natokana natao anatema. Tsy misy azo avotana izay olona natao anatema, fa atao maty.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nomery 5:11-31

Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy, fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin’ny mason’ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy, raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana, na raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy manao fahalotoana, dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io. «Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan’i Iaveh; dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano. Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona. Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao. «Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty. Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana ianao, dieny mbola eo am-pelatanan’i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy ny vadinao no nandry taminao, dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao, ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao.› Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: ‹Amen, amen.› «Hosoratan’ny mpisorona amin’ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin’ny rano mangidy indray, dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona. «Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely. Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano. Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany. Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka. «Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana; Avoahy any ivelan’ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany. na misy lehilahy azon’ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vadiny, ary hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany; ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 25:5-6

«Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy. Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo imason’i Israely izany anarana izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitsara 19:22-30

Dieny mbola nifaly teo ny fon’izy ireo, dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin’ilay anti-dahy tompon-trano nanao hoe: «Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy». Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin’izy ireo ka nanao taminy hoe: «Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rehefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io, dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany. Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka izy ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin’io lehilahy io». Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro. Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran’ny trano, ary teo amin’ny tokonana ny tanany. Hoy izy taminy: «Miarena dia ndeha isika handeha». Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon’ny lahy teo ambonin’ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin’ny fonenany. Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin’ny folo toko, sy nampitondrainy eran’ny tanin’i Israely rehetra. Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana. Dia hoy izay nahita rehetra: «Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran’ny zanak’i Israely avy any amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho».

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 15:2-3

Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta. Dia hoy i Saola tamin’i Samoela: «Eny tokoa, nihaino ny feon’i Iaveh aho ary nandeha tamin’ny lalany nanirahany ahy. Nentiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka ary i Amaleka nataoko anatema. Ary ny vahoaka naka tamin’ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao, any Galgalà». Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy. Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony». Tamin’izay i Saola niteny tamin’i Samoela hoe: «Nanota aho, fa nandika ny didin’i Iaveh sy ny teninao: natahotra ny vahoaka aho ary nihaino ny teniny. Koa ankehitriny, masìna ianao, avelao ny heloko, andeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh aho». Fa hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no miara-miverina aminao fa efa nanary ny tenin’i Iaveh ianao, ka efa nariany tsy ho mpanjakan’i Israely intsony koa». Nony nihodina ndeha handeha i Samoela dia nosamborin’i Saola ny sisin’ny kapaotiny ka triatra. Dia hoy i Samoela taminy: «Efa notriarin’i Iaveh ho afaka aminao androany ny fanjakan’i Israely, ary efa nomeny ny namana akaikinao izay tsara noho ianao. Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina». Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Mpanjaka 18:20-40

Dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka. Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka: «Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’i Iaveh, fa misy 450 kosa izy no mpaminanin’i Baala. Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horaisiny sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa. Raha efa izany kosa, hiantso ny Anaran’ny andriamanitrareo ianareo; izaho kosa hiantso ny Anaran’i Iaveh. Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.» Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: «Tsara izany!» Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala: «Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.» Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: «Ry Baala ô, valio izahay!» Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo. Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.» Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony mandra-piloa-dra ny tenany. Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory. ka nampiantso an’i Abdiasa lehiben’ny tranony i Akaba. Ary i Abdiasa kosa dia natahotra an’i Iaveh, Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe: «Manatòna ahy ianareo.» Nony nanatona azy ny vahoaka, dia namboariny ny ôtelin’i Iaveh izay efa voarava. Naka vato 12 i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’i Iaveh hoe: «I Israely no ho anaranao.» Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny Anaran’i Iaveh. Raha efa izany nasiany hady manodidina ny ôtely sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana; dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo. Ary hoy izy: «Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.» Dia hoy izy: «Ataovy fanindroany indray izany.» Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: «Ataovy fanintelony koa izany.» Dia nanao izany fanintelony ny olona. Ka nikorotsaka nanodina ny ôtely ny rano, dia nasainy nofenoina rano koa ny hady. Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho no mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. Mihainoa ahy, ry Iaveh ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran’ity vahoaka ity, fa Ianao Iaveh Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.» Dia latsaka tamin’izay ny afon’i Iaveh, ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin’ny hady! Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe: «I Iaveh ihany no Andriamanitra, i Iaveh ihany no Andriamanitra!» fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany. Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 2:23-24

Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dalana izy, dia nisy ankizy lahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: «Miakara ry ilay sola, miakara, ry ilay sola»; dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 15:13-15

ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy. Nanao feo avo izy nianiana tamin’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana sy feon-trômpetra aman’anjomara. Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 69:28

Ataovy miampy heloka ny helony; ary aoka tsy hanana anjara amin’ny fahamarinanao izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:21-22

Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 6:16-19

Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 20:30

Ny kapoka mandrovirovitra ny nofo, mahasitrana ny faharatsiana; torak’izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 7:1-4

Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana. Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha, no tsara noho ny ankehitriny? fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany. Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova, ary mahasoa an’izay mahita masoandro izy. Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena. Jereo ange ny asan’Andriamanitra: Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny? Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy. Izao rehetra izao no efa samy hitako, tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko. Misy marina, maty amin’ny fahamarinany; ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany! Aza dia marin-doatra, ary aza dia miseho ho hendry loatra: ahoana no hitadiavanao hamono tena? Aza dia sompatra loatra, ary aza dia adala: Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao? Tsara ny hitananao an’ity, sy tsy hanaovanao mosalahy amin’irỳ; fa ny matahotra an’Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo. Ny hendry, omen’ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna. Aleo mankany an-trano misy fisaonana, toy izay mankany an-trano misy fanasana; satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona, ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony. Fa tsy misy olombelona marina amin’ny tany, izay manao ny tsara, ka tsy manota akory. Aza asianao raharaha loatra izao teny lazaina rehetra izao; fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao. Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika dia efa nanozona ny sasany koa ianao. Hitako tamin’ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany; dia hoy aho: Ho hendry aho! kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena. Izay tonga dia lavitra sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany? Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina ny fahendrena aman’anton-javatra, ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana, ary rediredy foana ny fitondran-tena adala. Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany. Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny, tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay, hahitana ny antony, fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko, nefa tsy hitako, dia izao: Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho, nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa. Fa jereo ange, izao no hitako: Nataon’Andriamanitra mahitsy fo ny olona, fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo. Aleo alahelo toy izay hehy; fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo. Ny fon’ny hendry, ao an-trano misy fisaonana, fa ny fon’ny adala, ao an-trano misy fifaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 10:1-2

Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny. Toy ny nanakaran’ny tanako an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny, toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny, moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sary sampiny?» Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana. Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!» Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano. Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny. Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany. Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy. Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 29:13

Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:10

Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 13:23

Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary ianareo va hety hanao ny tsara?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 18:23

Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Amosa 5:21-23

Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively. Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Malakia 3:5

Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:28

Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:19-21

Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:21-23

Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:33

ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:46

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 12:51-53

«Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etỳ an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanaka lahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanaka vavy amin’ny reniny; ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinanto vavy amin’ny rafozany vavy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 8:44

Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 4:12

ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:1-2

Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotana ihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana? Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana. Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana? Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; ary rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana. Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:38-39

Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 3:13

ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:12-13

Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo. Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:19-21

Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:3-5

Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany, isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny. Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:18-19

Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 2:20-23

Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe: «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!» Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany; sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:3-5

Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy. Ianareo anefa, ry kristianina havana, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany; fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 4:1-2

Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony, fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino. Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao. Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana. Mandra-piaviko, milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona. Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao. izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 3:1-5

Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 1:16

Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:16-17

Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:22-25

Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 3:1-2

Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay. koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry kristianina havako. Moa ny vavan’ny loharano iray va mamoaka rano mamy sy mangidy? Moa ny aviavy, ry kristianina havako, mety mamoa ôliva; na ny foto-boaloboka va, mamoa voan’aviavy? Toy izany koa, ny loharano masirasira tsy mahay mamoaka rano mamy. Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny. Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina. Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin’ny tany, sy ara-batana, ary avy amin’ny demony; satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana. Fa manota amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin’ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:4

Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin’ny ratsy ianareo, ka manozona no ataony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:1

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:1-2

Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:7-8

Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:17-19

Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:27

Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:1-2

Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:18-19

Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 24:12

Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 21:34-36

«Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 3:19-21

Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: «Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.» Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 15:18-19

Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia halan’izao tontolo izao ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 2:8-9

fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy. Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa;

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 9:24-27

Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 11:3-4

Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny. Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha. Ary Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay isaorana mandrakizay, no mahalala fa tsy mandainga aho. Tany Damasy, ilay governora voatendrin’i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanànan’i Damasy mba hisamborana ahy; fa nampidinina an-tsobika avy teo am-baravarankely, nanaraka ny manda aho, ka afaka teo am-pelatanany. Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 1:6-9

Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:2-3

Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra! Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra. Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:21-23

Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 3:12-13

dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona; fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:12

Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:14-15

Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory. I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:8-9

Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 2:5

Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 3:1-3

Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty. Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany. Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy. Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra. Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana ianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana ianao; fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan’ny vavako ianao. Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, hahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza. Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao. Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha. Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao. Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko. Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy. Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 22:18-19

Ary izao no lazaiko amin’izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian’Andriamanitra amin’ny loza voasoratra amin’ity boky ity. Ary raha misy kosa manesotra teny amin’ity boky faminaniana ity, dia hoesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina voasoratra amin’ity boky ity.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 6:5

Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 9:6

Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:7

mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:38-42

Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. ary raha misy te hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te hisambotra aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 13:1-5

Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny. Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany. Tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpifehy, fa ny ratsy atao ihany. Ka raha tsy te hatahotra ny mpifehy ianao, dia ny tsara no ataovy, fa hahazo dera aminy ianao, satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy. Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 16:16

Izay hino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 14:26

«Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:34-36

Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga Aho mba hampisaraka ny zanaka lahy amin’ny rainy, sy ny zanaka vavy amin’ny reniny, ary ny vinanto vavy amin’ny rafozany vavy; ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:14

fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, Raiko Tsitoha, Ianao no mendrika ny fiderana sy ny fanomezam-bonja rehetra. Atolotro eo anatrehanao anio ny foko sy ny saiko. Amin'ny anaran'i Jesosy, ry Ray malala ô, mba fenoy ny fitiavanao ny fiainako, mba handraisako am-panetrentena sy am-pankatoavana ny fampianaranao sy ny torohevitrao. Ry Fanahy Masina ô, omeo ahy ny fahendrena hahatakatra ny andinin-teny rehetra izay entin'Andriamanitra eo amin'ny fiainako mba hanitsiana sy hitarihana ahy. Aoka aho ho voatsinanan'ny teninao, Tompo ô, tsy amin'ny fimonomononana na avonavona. Atolotro eo aminao ny eritreritro, ny fihetseham-poko, ny fahatsapana rehetra mba hiasanao amin'izany, ary hovainao amin'ny herin'ny teninao mba ho tia sy hiaina araka ny fandaharan'ny fanjakanao. Voasoratra hoe: "Izay tia famaizana dia tia fahalalana; fa izay mankahala fananarana dia adala." Te-hianatra ny handray ny fanitsianao am-panetrentena aho, ry Ray ô. Aoka ny fiainako ho taratry ny fahazavanao, ary ny lalako ho voaisy tombo-kase amin'ny fitiavana izay nomaninao ho an'ny zanakao. Ambarako fa ny teninao dia mandrava ato anatiko ny avonavona, ny fireharehana, ny fiheveran-tena ho ambony ary ny lolompo. Ry Ray malala ô, amin'ny anaran'i Jesosy Tompoko, mba ampianaro ahy handeha araka izay sitrakao sy araka ny teninao feno fahendrena. Amin'izao fotoana izao dia mangataka aho mba hesorinao izay sakana rehetra tsy ahafahako mandray amin-kafanam-po ny teninao, izay voalin'ny haizina rehetra mampanalavitra sy mampikorontana ahy dia esorina amiko. Amin'izao fotoana izao dia mangataka aho mba hongotanao tsy ho eo amin'ny fiainako izay rehetra tsy Azy, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra