Andriamanitra hikarakara izay rehetra ilainao araka ny hareny be voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Ny fahafantarana an’Andriamanitra dia hitondra fiadanana sy fahatokiana eo amin’ny fiainanao. Ny fahazoana antoka fa Izy no Rainao dia hanome anao herim-po hiandry ny fanampiany, na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza.
Tadidio fa fantatr’Andriamanitra izay rehetra ilainao. Koa raha mangataka amim-pinoana ianao, dia homeny izay mahasoa anao. Ny fitiavany anao no mahatonga Azy hanome izay tena ilainao.
Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anao izany rehetra izany. Matokia fa miahy ny amin’ny fiainanao manontolo Andriamanitra.
Mihoatra lavitra noho izay takatry ny sainao ny fomba fikarakarany anao, koa aza malahelo raha tsy tonga dia mahazo izay irinao ianao. Avelao Andriamanitra hanome araka ny sitrapony, dia ho hitanao ny voninahiny eo amin’ny fiainanao.
Matokia ny hatsarany sy ny fikarakarany anao. Mahay manao mihoatra lavitra noho izay vitanao samirery Izy. Raha avelanao Izy no loharanon’ny zavatra rehetra ilainao, dia ho tsapanao ny haben’ny fitahiany ary hanana fanahy finaritra, fo afaka ary vatana salama ianao.
Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany. Milaza fahendrena ny vavan’ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany, ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina, ka mitady izay hahafaty azy; fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany; ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy. Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany. Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho, nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy. Nandalo aho dia tsy teo intsony izy; nitady azy aho fa tsy hita intsony izy. Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana, Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa; ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.
Izy rehetra miandry Anao, hanome ny haniny amin’ny fotoany. Manome azy Ianao, dia mandray izy; manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pahavin’ny andro handatsahan’i Iaveh ranonorana eto ambonin’ny tany.»
Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.
Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao, feno mitafotafo ny kapoakako.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Niteny nanohitra an’Andriamanitra izy nanao hoe: «Hahavoatra latabatra atỳ an’efitra va Andriamanitra?
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.» Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho, ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro; fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Ianao no trano mimanda ho an’ny osa, trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany, fialofana amin’ny hainandro midaindaina, fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.
Manomeza voninahitra an’i Iaveh, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny voalohan-terany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindram-pony. Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nampisaraka roa ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Dia nitondra an’i Israely namaky teo afovoany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ary namarina an’i Faraôna sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nitondra ny vahoakany tany an’efitra, fa mandrakizay ny famindram-pony, Izay namely mpanjaka lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ary nahafaty mpanjaka mahery, fa mandrakizay ny famindram-pony. I Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny andriamanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova, fa mandrakizay ny famindram-pony. Dia ho lovan’i Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay mahatsiaro antsika, nony voaetry isika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay manome hanina ny velona rehetra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
Aharihario ny indrafonao amiko, ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra! Fa Ianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.
Tsarovy i Iaveh Andriamanitrao, fa Izy no nanome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, araka izao ankehitriny izao.
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Tiako Izy, satria ren’i Iaveh, ny feoko, ny fitarainako. Matoky aho, na dia milaza hoe aza: «Fara fahoriana aho ity!» Hoy aho, tao anatin’ny fahakiviako: «Mpandainga avokoa ny olombelona.» Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko? Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra. Zava-tsarobidy eo imason’i Iaveh ny fahafatesan’ny mpino azy. - Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao, ka dia novahanao ny fatorako. Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra, eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia! Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy, ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
Ny olona mahatoky, feno fanambinana, fa ny maimay hanan-karena, tsy hialàm-pahadisoana.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.
Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako.
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Amin’ny fanampian’Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan’ny teniny. Amin’ny fanampian’i Iaveh no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Dia nohafatrafaran’i Faraôna ny mpanompony, ny amin’i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban’ny fananany rehetra. Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»
Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra! Efa nahavokatra ny tany; hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany. Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan’ny hetaheta ny lelany, dia Izaho Iaveh no hihaino azy, Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.