Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany. Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy. Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho, Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra, fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina, ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiàsan’ny heriny tsitoha.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko, ka dia izany no mba hanantenako. Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony. Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy, ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh. Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain’ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.» Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany) sy izato kibon’i Sarà efa ritra aina. Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa,
Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
io no olona tsy nanao an’Andriamanitra ho mandany, fa nitoky tamin’ny habetsahan’ny hareny, sy nihambo tamin’ny haratsiany!
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Hoy koa i Izaia: Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra.
Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.
Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
I Iaveh no heriko sy fihirako; Izy no famonjena ahy. Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy, hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany, mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
fa noho ny Tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.
Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny Tompo.
Mamindra fo sy marina i Iaveh, miantra ny Andriamanitsika. Miaro ny osa i Iaveh; ory aho ka novonjeny. Ry fanahiko ô, miverena amin’ny fitsaharanao, fa i Iaveh manototra soa anao.
Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.
Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra?
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Nanaraka izany, dia hoy Izy tamiko: «Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampisotroiko maimaim-poana amin’ny loharanon’aina izay mangetaheta.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,