Ry sakaiza, trano fialofana, fiarovana, ary fifaliana ho antsika ny tranon’Andriamanitra. Eo no ahafahantsika mahafantatra Azy, mahazo fampianarana, ary miomana hanatanteraka ny asa nanirahana antsika ety an-tany. Koa tokony hirintsika fatratra ny ho ao an-tranony sy hankamamy azy ho toy ny toerana misy ny fanatrehany.
Harena lehibe indrindra ho antsika ny Tompo, ka tokony ho mpitantana tsara izay rehetra nomeny antsika isika. Koa amporisihiko ianao hanatona ny tranon’Andriamanitra amim-panajana sy amim-pahatahorana masina hatrany, satria toerana masina misy ny voninahiny izany.
Araka ny voalazan'i Davida mpanao Salamo hoe: "Fa aleoko indray andro any an-kianjan'ny tranonao toy izay arivo any ivelany; aleoko mitsangana eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitro toy izay mivahiny ao amin'ny lain'ny faharatsiana." (Salamo 84.10)
Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»
Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: «Eto amin’ity fitoerana ity tokoa i Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.» Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»
Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina, ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra namporisihan’Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon’i Iaveh any Jerosalema.
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe: «Andeha isika ho any an-tranon’i Iaveh!»
Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.
Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe:
Satria ny trano rehetra dia amboarin’ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio; ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity anie ny masonao, dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny Anarako; ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’ity fitoerana ity. Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny Fiara. Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha mivavaka amin’ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.
Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity; Ny fahefanao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.» Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: «Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko.»
Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao! Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny. Ry Iavehn’ny tafika, sambatra izay olona mitoky aminao! Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Ary ankehitriny dia hahiratan’ny masoko sy hohenoin’ny sofiko ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity. Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana. ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao; sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
«Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity! Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pitarainan’ny mpanomponao, amim-pihainoanao ny antsom-pifaliana amam-pangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao, Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay.» ary ny masonao ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity, dia eto amin’ity fitoerana voalazanao hametrahana ny Anaranao ity, dia henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao eto amin’ity fitoerana ity.» «Henoy ny fitarainan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin’ity fitoerana ity. Mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?
Tsy miova ny teny vavolombelonao, ny fahamasinana no mendrika ny tranonao; mandritra ny faharetan’ny andro rehetra, ry Iaveh ô!
Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana. Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Moa zohy fieren’ny mpangalatra eo imasonareo va, ity trano iantsoana ny Anarako ity? Izaho koa mba nahita izany, - teny marin’i Iaveh. -
«Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao ve no hanao trano hitoerako? Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao. Ary mandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho Ahy?
Ary ny zanak’i Israely, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,
Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.
dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.
Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.
Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.»
dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.
Ny fody aza, mahita fonenana, ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany; ny ôtelinao, ry Iavehn’ny tafika, ry mpanjakako sy Andriamanitro!
Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»
Nony nivoaka avy tao amin’ny Fitoerana Masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’i Iaveh ny rahona, ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’i Iaveh ny voninahitr’i Iaveh.
Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina, Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, sy noho isika manana mpisorom-be mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra, eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia!
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Ny fonenako ho eo ambonin’izy ireo; Izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako.
Honina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho, dia Izaho no Andriamanitr’izy ireo. Ho fantany fa Izaho Iaveh no Andriamanitr’izy ireo, izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan’izy ireo, dia Izaho Iaveh no Andriamaniny.»
Fihirana fiakarana. Aoka hisaotra an’i Iaveh àry ianareo rehetra mpanompon’i Iaveh, izay manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, mandritra ny alina. Manandrata tanana ho amin’ny fitoerana masina, ary misaora an’i Iaveh.
Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy; izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy. Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy? ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
«Ary ankehitriny, ry Andriamanitra ô, aoka hahiratan’ny masonao sy hohenoin’ny sofinao ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity!»
Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo, ary ataovy ny trano; hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.
Ireo no mpihira, lohan’ny fianakavian’ny Levita nitoetra tamin’ny efitrano, afaka tamin’ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin’ny raharahany andro aman’alina.
Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely. Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina! Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany!
Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho amin’ny andron’ny fahoriana; hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy Izy.
Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny.
Dia niditra nankao an-trano ny voninahitr’i Iaveh, nihazo ny lalana teo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana. Tamin’izay, naingain’ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitr’i Iaveh ny trano.
«Ity trano ataonao ity... raha mandeha araka ny lalàko ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ka mampifanaraka ny fitondran-tenanao amin’izany, dia ho tanteraka aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao; honina eo amin’ny zanak’i Israely Aho, ary tsy hahafoy an’i Israely vahoakako.»
Ka dia nandefa teny i Môizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: «Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin’ny zavatra aterina ho an’ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony, fa ampy sy manana amby ny zavatra voaangona hanaovana izay hatao rehetra.»
Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?
Izay efa renay tamin’ny hafa dia ny masonay no nahita, tao an-tanànan’i Iavehn’ny tafika, tanànan’ny Andriamanitsika. Hamafisin’Andriamanitra mandrakizay izy. - Selà
sady nampianatra Izy, nanao hoe: «Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.»
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh. Ary tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahafito, dia nampodin’i Salômôna ho any an-dainy avy ny vahoaka; samy faly sy ravoravo avokoa, noho ny soa nataon’i Iaveh tamin’i Davida, tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany. Vitan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, sady efany soa aman-tsara izay rehetra noheverin’ny sainy hatao tao amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka. Ary niseho taminy i Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: «Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity. Koa nony hampihantona ny andro Aho ka tsy hisy ranonorana, nony asaiko handevona ny tany ny valala, na haniraka ny pesta ho ao amin’ny vahoakako, raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny. Ary ankehitriny dia hahiratan’ny masoko sy hohenoin’ny sofiko ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity. Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko. Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao, ka manaraka an’izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan’ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin’i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin’i Israely ianao na oviana na oviana. Fa raha mivily kosa ianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan’ireny; Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.
Amohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an’i Iaveh. Aoka i Israely hilaza hoe: «Eny, mandrakizay ny famindram-pony!» Ity no vavahadin’i Iaveh, ny marina no mahazo miditra eo.
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanôma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra. Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina. Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany. Izany zava-manitra hataonareo izany dia tsy azonareo anaovana mitovy aminy ho anareo, fa hataonareo ho zava-masina ho an’i Iaveh. Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
ka nanao taminy hoe: «Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.»
Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.
Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitra ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavaka nataoko momba ny tranon’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana fanao ao.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo. Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana». Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao; mandra-pitondràn’i Iaveh ny olona any lavitra, ka ho be ny lao amin’ny tany. Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.» Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.» Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao.
Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata. Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy. Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho. Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy. Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy. Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy, dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika. Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana, mba hanambara fa marina i Iaveh; Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. Tsara ny midera an’i Iaveh, sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko? Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
Ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.
Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.