Mpanota isika taloha, tao anatin'ny haizina sy ny ratsy no niainantsika. Nefa niantso antsika tamin'ny anarantsika Andriamanitra mba ho voavonjy amin'ny fahasoavany isika.
Novidiny tamin'ny rà sarobidin'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana isika. Koa tsy irery intsony isika fa i Jesosy no lasa Mpiandry antsika.
Izay rehetra mino Azy sy teraka indray amin'ny alalan'ny Filazantsara dia an'i Jesosy, ilay Mpiandry ondry lehibe izay nanolotra ny ainy ho antsika tsirairay avy.
Koa tsy mandehandeha tsy misy mpitarika intsony isika fa manana tombontsoa lehibe tarihin'ilay Mpiandry tsara indrindra, dia i Jesosy Kristy izay tia antsika amin'ny fitiavana mandrakizay.
Manendry mpiandry hikarakara antsika ara-panahy Andriamanitra, nefa tsy tokony hohadinointsika fa vahoakan'Andriamanitra sy ondry ao amin'ny kijanany isika.
Toetran'ondry no ananantsika zanaky ny Tompo, fa tsy osy na bibilava na liona. Nefa tsara ho fantatra fa afaka manova ny osy ho ondry Izy.
"Ny ondriko mihaino ny feoko; ary Izaho mahalala azy, ka manaraka Ahy izy." (Jaona 10:27)
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: ‹Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana›;
Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.
Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe: Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano.
Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany, nentiny tany an’efitra toy ny andiam-biby fiompy. Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra, ary ny fahavalony kosa natelin’ny ranomasina.
Mbola, niresaka tamin’ireo teo i Jakôba, no tonga i Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
Fa Izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian’ondry entin’ny tanany. A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio!
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy: ny ondry moa hataony eo ankavanany; ary ny osy kosa eo ankaviany.
Ary nanatona hihaino Azy ny Poblikanina rehetra sy ny mpanota, Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.» Hoy koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‹Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy›. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: Firifiry akory moa ny mpikaraman’idada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana atỳ! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho. ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: «Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.» Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy irainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony. Fa hoy irainy tamin’ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka irainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa hoe: fa nony tonga kosa io zanakao io, izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy. Fa hoy irainy taminy: Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako, fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. «Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‹Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.› Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.» Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ry kristianina havako, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Dia izao no navaliny azy: «Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin’ny sabata, ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao? Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany, azo atao ny manao soa amin’ny sabata.»
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana vao taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazo ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja.
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.
fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra.
Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin’izay manary tena no iafenany, izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.
Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina; ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako. Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry. Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao. Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy i Iaveh Mpanavotra anao.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
tsy hanapaka ny volotara vaky Izy, na hamono ny lahin-jiro manetona ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota ianareo?» Fa novalian’i Jesoa hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.»
«Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‹Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.›
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo, ka nitory an’i Jesoa taminy.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;
Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy foy izy. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo. Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo. Sady izay manao ny tsy marina anie, ka handray araka ny tsy marina nataony e! fa tsy mba misy fizahan-tavan’olona. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh, sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny. Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana. Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho. Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;
Ary ianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona ianareo; ary Izaho dia Andriamanitrareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina. Izay tia ny namany no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony. Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anarany. Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra. Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra. Fiteny mahameloka no iresahany Anao, manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo. Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho. Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay. Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, asa mahazatra anao ny lalako rehetra.