Ry zareo namako, tena manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fitomboantsika ara-panahy ireo mpampianatra antsika. Mitarika antsika amin'ny lalana tokony halehantsika izy ireo, mampianatra antsika ny soatoavina tsara tokony hananantsika. Nataon'Andriamanitra ho fitaovana izy ireo mba hahafahantsika mahafantatra an'i Kristy sy mitarika antsika, na eo amin'ny finoana na eo amin'ny fiainana andavanandro.
Raha mba manana mpampianatra tahaka izany isika, aoka isika hanaja azy ireo, hivavaka ho azy ireo ary hianatra amim-panetren-tena avy amin'izy ireo. Aoka ho sarobidy amintsika ny fotoana alehany amintsika ary aoka isika hankasitraka ny zavatra rehetra noraisintsika avy amin'izy ireo.
Tadidio fa fitahiana avy amin'Andriamanitra izy ireo (1 Korintiana 12:28). Koa aoka isika tsy ho varimbariana fa hiezaka hatrany mba hianatra sy hampihatra izay rehetra nampianariny antsika.
Moa Apôstôly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra?
Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.
Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.
ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Naninona re aho no dia tsy nihaino ny feon’ny mpampianatra ahy, ka tsy nampandry sofina tamin’ireo nampianatra ahy?
Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny Jentily;
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,
raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra;
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny lalana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory.
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako.
Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra;
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.»
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko. Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra;
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao. Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.
Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina. Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana, mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.» Dia hoy Izy: «Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireo mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny; fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fìtaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy, ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho. Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.
ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin’ny teniny aman’asany.
Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagoga izy, ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny Lalan’ny Tompo.
nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra. Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja. Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako. Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy. Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy ianareo, toy ny nianarako an’i Kristy koa. Fa izany ihany no nanirahako ho etỳ aminareo an’i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay lala-nodiaviko ao amin’i Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin’ny Eglizy rehetra. Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho; ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany, Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana. Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha Apôstôlin’i Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra ianareo.
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao. Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko. Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.
ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray.
mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina. Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza. Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy.
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›. Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.»
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.» Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: «Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?» «Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.» Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely. Niainga i Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
sosotra izy ireo noho ny nampianaran’izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan’ny maty efa hita tamin’i Jesoa,
Dia nihazakazaka i Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: «Moa fantatrao tsara va izay vakinao?» Ka hoy izy: «Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?» Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.
Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory? Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amen.
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
fa nalefanay i Timote rahalahinay sy mpandraharahan’Andriamanitra amin’ny Evanjelin’i Kristy hankahery fo anareo sy hamporisika anareo haharitra amin’ny finoanareo,
Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Izay mandà anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako. Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tahirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin’ny molotrao avokoa izy! Mba hianteheran’ny fitokianao amin’i Iaveh, dia ianao no tiako hotoroana izao.
Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao. Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany; ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»
Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan’andro tao an-Tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no Kristy.
Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo, izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.
Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.
tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa. Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana. Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan’ny tanako ho aminareo. Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny Hazofijalian’i Kristy izy. Fa na dia ny tenan’izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforàna, dia ny mba hireharehany amin’ny nofonareo. Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao. Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. Ho an’izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoa amin’ny vatako aho. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen. Mifampitondrà ny mavesatra ianareo, dia ho tanterakareo amin’izany ny lalàn’i Kristy;
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony. Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana. mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo; dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.