Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 18:20 - Baiboly Katolika

20 Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny lalana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Hampianatra azy ny didy sy ny lalàna ianao sady hampahalala azy ny lalana izay mety halehany sy izay tokony hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Hampianatra azy ny didy sy ny lalàna ianao sady hampahalala azy ny lalana izay mety halehany sy izay tokony hataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 18:20
21 Rohy Ifampitohizana  

ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.


Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.


Raha manana ady izy ireo, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn’Andriamanitra.»


Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.


Aoka hambaran’i Iaveh Andriamanitrao aminay, izay lalana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay.»


Izao no lazain’i Iaveh: «Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere; anontanio izay lalana faleha taloha, izay lalan’ny famonjena ka iny aleha, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.» Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»


«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.


Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.


Toy izany no nandidiako anareo tamin’izay zavatra rehetra tokony hataonareo.»


«Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo.


Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.


Ary niantso an’i Israely i Môizy ka nanao taminy hoe: «Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.


Mandehana lazao amin’izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo.


Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio, ka tanteraho izany.


Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.


Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra