20 Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Nitsangan-ko vavolombelona anefa i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: «Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.»
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, i Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy.
Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.
Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.
Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.
Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.
Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo.
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.