Efa namela ny helok’Israely Andriamanitra. Mamelà ny olonao izay efa navotanao, ry Jehovah ô! Aza avela hisy handoto ny olonao amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny. Ary ho voavela ny helony.
Izy no nasandratr’Andriamanitra ho Mpitondra sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’Israely. Koa aza hadinoina ny mivavaka ho an’ny famonjena sy famelan-keloka ho an’Israely; izay mitahy ity firenena masina ity dia hotahina, ary hiharihary eo amin’ny fiainanao ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fankasitrahany. Satria faly amin’izay mahatsiaro ny olom-boafidiny ny Tompo, ary sarobidy eo imasony ny olony masina.
Noho izany, aza manozona an’Israely na oviana na oviana, fa mety hitarika ozona ho amin’ny fiainanao izany ary mety hisy zavatra tena mampalahelo hanjo anao. Tadidio fa Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra ary tia ny rariny Izy.
Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko, ianao, ry Jakôba nofidiko, taranak’i Abrahama, sakaizako. Ianao izay notantanako avy any am-paran’ny tany, sy nantsoiko avy any amin’ireo tany lavitra ireo: ianao izay nilazako hoe: «Mpanompoko ianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako.»
Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh. Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
«Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny fonareo.»
Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.
Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakôba mpanompoko sy ianao, ry Israely voafidiko. Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona? Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra. Ny mpanefy vy miasa amin’ny fandraka, ataony amin’ny arina mivaivay ny taozavatra, amboariny amin’ny tantanana, foromporoniny amin’ny sandry matanjaka izy. Kanefa noana izy, ka indro tsy manan-kery; tsy misotro rano, ka indro reraka. Ny mpanao taozavatra amin’ny hazo manenjana ny kofehy, manoritra ny endri-javatra amin’ny pensily, manamboatra azy amin’ny fandraka, mandrefy azy amin’ny kômpà. Manao azy hanana endrik’olona, ilay endrika tsara, izay endriky ny olombelona, mba hamponenany azy ao an-trano. misy olona mandeha hikapa sedera; maka sena sy aoka izy; mifidy amin’izay hazo any an’ala; na mamboly sedera hampanirian’ny ranonorana. Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany. Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!» Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!» Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina. Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sasan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana! Izao no lazain’i Iaveh, izay nanao anao, sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao: «Aza matahotra, ry Jakôba mpanompoko, ry Israeliko, izay nofidiko!
I Jakôba mpanompoko, sy i Israely voafidiko, no niantsoako anao tamin’ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»
Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra; ary amin’ny fitandremanao ny didin’i Iaveh sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao?
satria vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao. Ianao no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.»
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko. Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin’ny helony rehetra izay nanevatevany Ahy, izay niodinany tamiko.
Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an’i Iaveh Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika azy?
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh. Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho, fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa. Hivoha lalandava ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirina ny haren’ny firenena ho ao aminao, mbamin’ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy. Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany. Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr’i Libàna, ny sipresy, ny platàna, ny boîsa, handravahana ny fitoerako masina, dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan’ny tongotro. Ny zanak’ireo mpampahory anao ho tonga ao aminao, sady hiondri-doha, ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin’ny tongotrao; ary ianao hantsoina hoe, ny Tanànan’i Iaveh, ilay Siônan’ilay Masin’i Israely. Ianao izay efa nariana teo sy nankahalaina ary nanirery, dia hataoko reharehan’ny taona rehetra, sy fifalian’ny taranaka rehetra. Hitsentsitra ny rononon’ny firenena ianao, sady hitsentsitra ny nonon’ny mpanjaka, dia ho fantatrao fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao. Volamena no hampankanesiko atỳ ho solon’ny varahina; sy volafotsy no havantako atỳ ho solon’ny vy; sy varahina ho solon’ny hazo; ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpitondra anao, ary ny fahamarinana no ho mpifehy. Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana. Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin’ny andro intsony; ary ny fisomambisambin’ny volana tsy hitsilo anao intsony; fa i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao, ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao. Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa i Iaveh kosa no miposaka eo aminao ary ny voninahiny miseho eo aminao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hihataka intsony ny volanao. Satria i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao ary ho tapitra ny andron’ny fisaonanao. Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro. Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy. Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Fa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»
Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodiko eo amin’ny taninareo. Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo. Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany. Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
Koa hoy izaho: Moa dia narian’Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina, Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary ny lamosiny hamokoka mandrakariva. Koa hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentily, mba hahavelom-pialonana an’i Israely. Koa raha ny fahalavoany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren’ny Jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? Aminareo Jentily no itenenako: amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho, mba hahavelom-pialonana an’ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao. Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganana avy any amin’ny maty va? Raha masina ny santatra, dia masina koa ny sisa rehetra; ary raha masina ny fotony, dia masina koa ny rantsany. Ary raha saingy notapahina ny rantsana sasany, ka ianao izay toy ny hazo ôliva naniry ho azy no natsofoka hisolo ireny, sy tonga miombona amin’ny fototra mbamin’ny ranon’ny fototr’ôliva, dia aza mirehareha amin’ny rantsany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fotony, fa ny fotony no mitondra anao. Angamba ianao hanao hoe: «Notapahina ireny rantsany ireny, mba hanatsofohana ahy.» ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:
Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao. Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany. Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy, rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.» Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy. Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva. Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama, ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.» Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Dia nohafatrafaran’i Faraôna ny mpanompony, ny amin’i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban’ny fananany rehetra. Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny. Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany, eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa.
Amin’izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra, ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.
Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hoarîko, haharitra eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh,- no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.
«Ampionony, ampionony ny vahoakako,» hoy ny Andriamanitrareo. Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono. Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana? Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina? Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika. I Libàna, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana. Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona. Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy? Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay. I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy: i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Dia ho fantany fa Izaho Iaveh Andriamaniny no momba azy, ary izy taranak’i Israely no vahoakako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.
tany kolikolen’i Iaveh Andriamanitrao, ary tsinjovin’ny mason’i Iaveh tsy tapaka hatramin’ny voalohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana. Izy no hanavotra an’i Israely amin’ny helony rehetra.
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;
Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»
Fa i Israely kosa novonjen’i Iaveh amin’ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay intsony ianareo, amin’ny taona ho avy.
Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin’ny taranak’i Israely. Ny vazantany efatra, nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.
Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta. Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely: Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko. Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»
Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.