Ry sakaiza, fantatro fa misy fotoana sarotra atrehantsika, indrindra rehefa mila miaiky ny fahadisoantsika sy mangataka famelan-keloka isika. Mila herim-po lehibe tokoa izany, mandresy ny avonavona sy ny fireharehana. Fanehoana fanetren-tena marina izany.
Tsy miankina amin’izay voakasika akory izany fa miankina amin’ny faniriantsika hampifaly an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ataontsika. Na dia tsy mangataka famelan-keloka aza ilay nanao ratsy tamintsika, raha ny Fanahy Masina no mandrisika antsika hifamela, dia hahazo ny fahasoavan’ny Tompo sy ny fitahiany isika.
Mety ho sarotra amin’ny maro izany, kanefa ny famelan-keloka dia fanapahan-kevitra iray izay mamela antsika handroso am-piadanana. Ny fitanana lolompo sy ny tsy famelan-keloka dia manimba ny fanahy ary miteraka fijaliana. Ny famelan-keloka kosa dia mitondra fahasalamana ho an’ny vatana sy famonjena ho an’ny fanahy.
Manadio antsika ny famelan-keloka ary mampanatona antsika amin’Andriamanitra. Zava-dehibe ny miaiky ny fahadisoantsika eo anatrehany, Izy izay mahafaka antsika amin'ny ratsy rehetra. Tsy misy fetra ny fitiavany sy ny famelan-kelony, mandrakotra ny fiainantsika manontolo izany.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia havela ianareo.
Koa mitandrema ianareo.» «Raha diso aminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.» «Amin’izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hiditra haka ny zavany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka izay nilaozany, Tsarovy ny vadin’i Lôta! Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela; amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.» Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: «Ho aiza Tompoko?» Ary hoy Izy taminy: «Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.» Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‹Mifona aho›, dia mamelà.»
Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.
Nataon’i Davida. Fisaintsainana masina. Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa Izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin’ny Lalàn’i Môizy,
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.
Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary; dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka Ianao, ry Iaveh, iza no haharitra, Tompo ô? Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan’ny olona Anao.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.
Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ary mangataha amin’ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao,
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.» Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako - Selà
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamo nataon’i Davida, Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao. Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy avokoa ny heloko. Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho; ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko, aza ariana lavitra ny Tavanao aho; aza esorina amiko ny Fanahinao Masina. Ampodio ny fifaliana amin’ny famonjenao, ary tohany amin’ny fananana fo mazoto aho. Hampianariko ny lalànao, ry zareo mandika azy, ka hiverina aminao indray ny mpanota. Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, afaho amin’ny ra nalatsaka aho, dia hidera ny fahamarinanao ny vavako. Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera ny fiderana Anao ny vavako. Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; tsy mahafaly Anao ny sorona dorana. Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo. fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony.
Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.
Ary tamin’izay, nanatona Azy i Piera nanao hoe: «Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?» Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.»
Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‹Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.›
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary. Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afo ho eo an-dohany.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.»
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary. Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
«Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.