Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 12:31 - Baiboly Katolika

31 «Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 12:31
15 Rohy Ifampitohizana  

Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»


ary izay manevateva ny Anaran’i Iaveh, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rehefa manevateva ny Anarana masina, dia ho faty.


Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.


Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.


Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;


mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?


Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina,


Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.


Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra