Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:9 - DIEM PROTESTANTA

Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny taranak’i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko



Nomery 7:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak’omby matavy i Davida.


Tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana ilay Vatamasina, dia nataingina teo ambany sarety vaovao ary nentina. I Hozà sy i Ahiao samy zanakalahin’i Abinadaba no nitondra ny sarety,


Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Nakôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.


Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ireo mpisorona ny Vatamasina.


Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.


koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.»


Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.