Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 7:9 - Baiboly Katolika

9 Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa ny taranak’i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 7:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony namindra inenina ny mpitondra ny Fiaran’i Iaveh, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.


Napetrany teo ambony sarety vaovao ny Fiaran’Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; ka i Ozà sy i Akiaô zanak’i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao.


Nony tonga teo am-pamoloan’i Nakôra izy ireo, dia naninjitra ny tanany nankamin’ny Fiaran’Andriamanitra i Ozà sy nandray azy, fa nisolifaka ny omby.


Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny Fiara.


Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.


Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.»


Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra