Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 7:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ireo lohan’ny foko kosa no nanolotra fanatitra ho amin’ny fitokanana ny alitara amin’ny andro izay hanosorana azy; samy nanolotra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara ireo lohan’ny foko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia ny lohan’ny firenena no nanatitra ho amin’ny fitokanana ny alitara tamin’ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ireo lohan’ny foko kosa no nanolotra fanatitra ho amin’ny fitokanana ny alitara amin’ny andro izay hanosorana azy; samy nanolotra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara ireo lohan’ny foko.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 7:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna ho sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra ny tranon’ny TOMPO.


Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra.


Tamin’ny andro fahavalo no nanaovan’izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin’ny Tranotomboka.


Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema, dia nantsoina avy tamin’ny toeram-ponenany rehetra ny levita; nasaina ho tonga any Jerosalema ry zareo mba hanao ny fitokanana amim-pifaliana, ombàn’ny hira fiderana arahin’ny kipantsona sy valiha ary lokanga.


Sorona maro no natolotra tamin’izany andro izany ary fifaliana no nanjaka, satria antom-pifaliana lehibe no efa nomen’Andriamanitra ny olona. Tao Jerosalema dia nifaly mbamin’ny zaza amam-behivavy, ka re lavitra ny hobin-kafaliana.


Salamo nataon’i Davida. Hira tamin’ny fitokanana ny lapany.


Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara!


Ireto ny fitambaran’ny fanomezana natolotr’ireo filoham-pianakaviamben’i Israely tamin’ny andro nanosorana sy nanokanana ny alitara: lovia volafotsy 12, kaopy volafotsy famafazana 12, lovia kely volamena 12,


Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.


Avy eo dia hiteny amin’ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra