Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 7:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Aoka ny lohan’ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ny an-androny avy ho amin’ny fitokanana ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 7:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.


Toy izao manaraka izao ny fahatongavany nitondra ny fanomezany: tamin’ny andro voalohany dia i Nahasôna zanakalahin’i Hadaba, avy amin’ny fokon’i Joda; tamin’ny andro faharoa dia i Natanaela zanakalahin’i Tsohara, avy amin’ny fokon’i Jisakara; tamin’ny andro fahatelo dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, avy amin’ny fokon’i Zebolòna; tamin’ny andro fahefatra dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeòra, avy amin’ny fokon’i Reobena; tamin’ny andro fahadimy dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday, avy amin’ny fokon’i Simehôna; tamin’ny andro fahenina dia i Eliasafa zanakalahin’i Dehoela, avy amin’ny fokon’i Gada; tamin’ny andro fahafito dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda, avy amin’ny fokon’i Efraîma; tamin’ny andro fahavalo dia i Gamalièla zanakalahin’i Pedahatsoro, avy amin’ny fokon’i Manase; tamin’ny andro fahasivy dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ, avy amin’ny fokon’i Benjamîna; tamin’ny andro fahafolo dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday, avy amin’ny fokon’i Dana; tamin’ny andro faha-11 dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna, avy amin’ny fokon’i Asera; ary tamin’ny andro faha-12 dia i Ahîra zanakalahin’i Henàna, avy amin’ny fokon’i Naftalỳ. Ireto manaraka ireto kosa ny fanomezana nentin’ny filoham-pianakaviana tsirairay avy: –lovia volafotsy iray milanja 1 300 grama, tsatokaty volafotsy famafazana iray milanja 700 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina; ireo fitaovana ireo dia samy feno lafarinina tsara toto sy voafeta menaka ho fanatitra; –zinga volamena iray milanja 100 grama feno vovo-javamanitra; –vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahikely iray izay iray taona avy, samy hatao sorona dorana manontolo; –osilahy iray hatao sorona fanalana ny ota; –ary ombilahy roa, ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahikely dimy izay iray taona avy, samy hatao sorom-pihavanana.


satria Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny Fiangonana rehetra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra,


Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra