Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 34:4 - DIEM PROTESTANTA

avy eo dia miolaka eo atsimon’ny fiakaran’i Akrabima, dia mandalo an’i Tsina, dia mahazo ny atsimon’i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemôna;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

avy eo dia miolaka eo atsimon’ny fiakaran’i Akrabima, dia mandalo an’i Tsina, dia mahazo ny atsimon’i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemôna;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesi-barnea, dia mahazo an’i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesy-Barnea, dia mahazo an’i Hazara-Adara ka mandroso hatrany Azmona;

Jereo ny toko



Nomery 34:4
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.


Nanao fahadisoana toy izany koa ny rainareo, raha nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany Kanahàna izy.


«Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin’i Edôma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty;


Izao no zaratany azon’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka mba ho an’ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edôma izany; ary ny taniefitr’i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.


Ny faritanin’ny Edômita kosa miainga eo amin’ny fiakarana Hakrabima, dia eo amin’ny harambato no ho miakatra.