Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.
Nomery 3:21 - DIEM PROTESTANTA I Gersôna no razan’ny Gersônita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Gersôna no razan’ny Gersônita izay misy tarika roa, dia ny Libnita sy ny Simehita. Baiboly Katolika Ny fokon’i Lebnỳ sy ny fokon’i Semeì dia avy amin’i Gersôna ka atao hoe fokon’ny Gersônita. Baiboly Protestanta Malagasy Avy tamin’i Gersona ny fokon’ny Libnita sy ny Simeita: ireo no fokon’ny Gersonita. Malagasy Bible Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita. La Bible en Malgache Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita. |
Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.
Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.
ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana;
Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebrônita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Kôrahita. I Kehata no niteraka an’i Hamrama
Indreto kosa ny anaran’ny zanakalahin’i Gersôna: i Libnỳ sy i Simehỳ ka izy roa lahy no razan’ny tarika avy aminy.
Ary ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ ka izy roa lahy no razan’ny tarika avy aminy. Izy valo lahy ireo no ipoiran’ny tariky ny Levita araka ny fianakaviambeny avy.
Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500.
Ny azon’ny taranak’i Geresôna tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Naftalỳ sy antsasa-pokon’i Manase any Basàna.