Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 27:5 - DIEM PROTESTANTA

Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ny tenin’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo.

Jereo ny toko



Nomery 27:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Halahatro eo anatrehany ny adiko, ka hataoko be ao am-bavako ireo porofo.


Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.


Dia nambenana tsara izy satria tsy mbola tapaka izay sazy hampiharina aminy.


Izy kosa hiseho eo amin’i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin’izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin’ny toe-javatra rehetra.


Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin’ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay àry izahay tahaka ny natao ho an’ny ireo rahalahin-drainay!


Ary niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:


ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.


Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.


Nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo loholom-bahoaka izy dimy mirahavavy ka nanao hoe: –Ny TOMPO efa nandidy an’i Mosesy mba hanome anay zaratany eo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminay. Dia nisy zaratany nomena azy teo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminy araka ny didin’ny TOMPO.