Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 36:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian’i Jehovah hizara ny tany amin’ny filokana ho an’ny Zanak’Isiraely; ary hianao, tompokolahy, efa nodidian’i Jehovah hanome ny zara-tanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanani-vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 36:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Tao amin’ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.


Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.


Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.


Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Libano sy i Misrefôta-Maina izay Tsidônianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan’ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan’ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra