Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Nomery 26:53 - DIEM PROTESTANTA –Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy. Baiboly Katolika «Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan’ny anarany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. Malagasy Bible Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. La Bible en Malgache Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany. |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
fony Andriamanitra nilaza hoe: «Homeko ho anao ny tany Kanahàna ho anjara lova ho anao sy ny taranakao».
Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.
Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.
Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.
Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.
Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy.
Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin’ny tany Kanahàna. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin’ny foko israelita no nizara azy.
ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.
Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo mba hanompo an’Andriamanitsika sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»