Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:54 - DIEM PROTESTANTA

54 Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 Ny foko izay maro an’isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

54 Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:54
7 Rohy Ifampitohizana  

–Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy.


–I Hatarôta sy i Dibôna, i Jahezera sy i Nimrà, i Hesbôna sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behôna dia tanàna


Hoy koa ny Reobenita sy ny Gadita hoe: –Raha ekenao ihany ny soso-kevitray, ry Mosesy, dia aoka io tany io mba homena anay ho zarataninay, fa aza entina mita an’i Jôrdàna izahay.


Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.


Ary momba ireo tanàna izay halainareo avy amin’ny tanin’ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanàna ho an’ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.


Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?


Ny zaratany azon’ny Simehônita dia nalaina tamin’ny anjaran’ireo taranak’i Joda satria nalalaka ho an’ny taranak’i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan’ny taranak’i Simehôna anjara teo anivon’ny lovan’i Joda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra