Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 26:55 - DIEM PROTESTANTA

55 Antsapaka anefa no hizaràna ny tany, na dia araka ny habetsahan’ny olona isam-poko, aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

55 Hatao antsapaka anefa no hizaràna ny tany; araka ny anaran’ny fokon’ny razany no hahazoany zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

55 Antsapaka anefa no hizaràna ny tany, na dia araka ny habetsahan’ny olona isam-poko, aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

55 Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ny firenen’ny razany no hahazoany zara-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:55
21 Rohy Ifampitohizana  

Ahontsankontsana ny kodiakely hahalalan-javatra fa izay mipoitra eo kosa dia avy amin’ny TOMPO.


Ny fanontsanan-kodiakely mety mampitsahatra fifandirana ary mamaha olana eo amin’ny samy mahery.


Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.


Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an’isa sy ny foko vitsy an’isa.


Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.


Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.


ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.


Dia nanaovana antsapaka izy roa lahy, ary voatendrin’ny antsapaka i Matià, ka dia izy no lany ho naman’ny apôstôly 11 lahy.


no isaory an’Andriamanitra Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lova natokany ho an’ny vahoakany ao amin’ny hazavana;


Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.


Antsapaka no nanaovana ny fizaràna ho an’ireo foko sivy sy ilay antsasa-pokon’i Manase, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?


Ataovinareo an-tsoratra ny toetoetr’ireo tany fito toko ireo ka ento atỳ amiko izany; dia hataoko antsapaka eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izay ho anjara fokonareo avy.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka faharoa dia azon’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon’ny an’ireo taranak’i Joda.


Ny anjara voatendrin’ny antsapaka fahatelo dia azon’ny Zebolonita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny velaran’ny zarataniny dia mitatra hatrany Sarida.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahefatra dia azon’ny taranak’i Jisakara ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahadimy dia azon’ny foko aserita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahenina dia azon’ny taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahafito dia azon’ny foko danita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra