Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 20:6 - DIEM PROTESTANTA

Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana i Mosesy sy i Arona ka nankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ary niankohoka tamin’ny tany. Dia niseho taminy ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niala tao amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitr’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana i Mosesy sy i Arona ka nankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ary niankohoka tamin’ny tany. Dia niseho taminy ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko



Nomery 20:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!


Nidina tanatin’ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny Tranolay ary niantso an’i Aharôna sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,


Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.


Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna.


Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Raha nandre izany i Mosesy, dia niankohoka tamin’ny tany


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!


Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon’i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro.