Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»


Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Izaho irery sisa nijanona teo nandritra ny famelezana, ka niankohoka tamin’ny tany ary niantsoantso hoe: –Tompo ANDRIANANAHARY ô, raha manampatra ny fahatezeranao amin’i Jerosalema ve ianao dia handringana hatramin’ny Israelita sisa?


Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin’ny tany.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Raha nandre izany i Mosesy, dia niankohoka tamin’ny tany


–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,


Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.


Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!


Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Mitsangàna fa nahoana ianao no miankohoka toy izao?


dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:


Dia novalian’ny zava-miaina efatra hoe: «Amen!» Ary ny loholona kosa niankohoka sy nitsaoka.


Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra