Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr’i Jehovah niseho teo amin’ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan’ny Zanak’Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa ny fiangonana manontolo dia nilaza hitora-bato azy roalahy, kanjo ny voninahitry NY TOMPO niseho teo amin’ny tranolay fihaonana*, teo anatrehan’ny Zanak’Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!


Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;


Dia niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharôna. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:


Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;


Nitangorona nanakiana an’i Mosesy sy i Aharôna ny fiangonana, fa izy roa lahy kosa nitodika nijery tany amin’ny Tranolay fihaonana, ka indro hitany nanarona azy ny rahona izay nisehoan’ny voninahitry ny TOMPO.


Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.


–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe: –Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra