Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Nantsoin’i Kôre ho eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an’i Môizy sy i Aarôna. Dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ny fiangonana rehetra ny voninahitr’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.


Dia niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharôna. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:


Ary hoy i Mosesy hoe: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo, ka ataovy; dia hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo.


Nidina tanatin’ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny Tranolay ary niantso an’i Aharôna sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,


Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.


Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.


ary ny TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna hoe:


Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna


Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra