Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary samy naka ny fitondran-afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.


dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra.


Eo anatrehan’ny TOMPO eo i Aharôna no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin’ny vain’afo ka hosaronan’ny setrok’izany ilay rakotra volamena eo ambonin’ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an’i Aharôna.


Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna.


Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra