Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 16:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Samia maka ny fitaovana fandoroany zava-manitra ka manisy vovo-javamanitra ao anatiny ary samia mitondra ny azy avy eo anatrehan’ny TOMPO; dia fitaovana fandoroana zava-manitra 250 izany no fitambarany. Hitondra ny azy avy koa ianao sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Samia maka ny fanembohana ianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan’i Iaveh, dia ho fanembohana 250 izany; ary ianao sy i Aarôna koa dia samy hitondra ny fanembohanareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary samia maka ny fitondran-afony avy hianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran-afony avy hianareo rehetra ho eo anatrehan’i Jehovah, dia fitondran-afo dimam-polo amby roan-jato; dia hianao sy Arona samy hitondra ny fitondran-afony avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Kôra: –Tongava eo anatrehan’ny TOMPO ianao sy ny namanao rahampitso miaraka amin’i Aharôna.


Samy naka ny fitaovana fandoroany zava-manitra izy rehetra ka nanisy vainafo sy nandraraka vovo-javamanitra tao anatiny; ary nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo niaraka tamin’i Mosesy sy i Aharôna.


Ary ankehitriny mitsangàna eto anatrehan’ny TOMPO, fa hambarako hitsara anareo ireo soa rehetra nataon’ny TOMPO taminareo sy ny razanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra