Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO
Nomery 20:16 - DIEM PROTESTANTA Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha nitaraina tamin’NY TOMPO izahay dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely sy namoaka anay avy tany Ejipta; ary indreto, tonga eto Kadesy, izay tanàna eto amin’ny tendron’ny taninao, izahay; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao. Baiboly Katolika Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka Anjely Izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao. Baiboly Protestanta Malagasy ary raha nitaraina tamin’i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ny faritry ny taninao, izahay; Malagasy Bible ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay; La Bible en Malgache Ary raha nitaraina tamin’NY TOMPO izahay dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely sy namoaka anay avy tany Ejipta; ary indreto, tonga eto Kadesy, izay tanàna eto amin’ny tendron’ny taninao, izahay; |
Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO
Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany.
«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.
Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho.
Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.
–Mba avelao re izahay hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa ny lalam-panjakana ihany no hizoranay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
ary niala teo Kadesy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hôra, akaikin’ny sisin-tanin’i Edôma.
Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.
Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;
Izao no zaratany azon’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka mba ho an’ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edôma izany; ary ny taniefitr’i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.