Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 14:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary ilay Anjelin’Andriamanitra, izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israelita, dia nifindra ka nankeo aorianany; ary nifindra niala teo alohany koa ny andry rahona dia nijanona teo aorianany

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Ilay Anjelin’Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary ilay Anjelin’Andriamanitra*, izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israelita, dia nifindra ka nankeo aorianany; ary nifindra niala teo alohany koa ny andry rahona dia nijanona teo aorianany

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 14:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.


nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.


Nifindra teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.


Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin’ny Ejiptianina avy teo amin’ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.


Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady.


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Amin’izany fotoana izany dia harovan’ny Tompo ireo mponin’i Jerosalema; ka ny osa indrindra ao aminy dia hatanjaka tahaka an’i Davida, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ny anjelin’ny Tompo mitarika azy eo aloha.


Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra