Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 19:3 - DIEM PROTESTANTA

Ento any amin’i Elehazàra mpisorona izany mba havoakany eny ivelan’ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Omeo an’i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina hoentina eny ivelan’ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ento any amin’i Elehazàra mpisorona izany mba havoakany eny ivelan’ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hatolotrareo an’i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy avoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary omeo ho an’i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan’ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Omeo an’i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina hoentina eny ivelan’ny toby ka hovonoina eo anatrehany.

Jereo ny toko



Nomery 19:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan’ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.


–Avoahy ho eny ivelan’ny toby io lehilahy niteny ratsy Ahy io; ka izay rehetra nandre ny fanevatevàny Ahy, dia aoka hametra-tanana eo an-dohan-dralehilahy; ary aoka ny Israelita rehetra tafangona eto hamono azy amin’ny torabato.


Fa ny hoditry ny ombalahy sy ny henany rehetra mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny dikin-drorohany,


izany hoe ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan’ny toby, ho any amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin’ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.


Ny sisa amin’ilay ombilahy kosa hasain’ny mpisorombe hoentina any ivelan’ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin’ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an’ny fiangonan’ny Israelita.


Dia navoakan’ny fiangonana iray manontolo teny ivelan’ny toby izy, ka notorahany vato ary maty. Izany manko no nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.


Maty teo anatrehan’ny TOMPO anefa i Nadaba sy Abihò fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza Azy tany an-taniefitr’i Sinay. Samy tsy niteraka izy mirahalahy, koa dia i Elehazara sy i Itamara ihany no sisa nanao ny fisoronana teo anatrehan’i Aharôna rainy.


mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!