Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ireto fepetran-dalàna izay nandidiany ireto: –Lazao ny Israelita hitondra ombivavy mena izay tsy misy kilema na tsininy ary tsy mbola nampitondraina zioga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no lalàna hotandremana, dia izay nandidian’NY TOMPO: Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hitondra vantotra ombivavy mena iray, izay tsy misy kilema na tsiny sady mbola tsy nasiana zioga.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ireto fepetran-dalàna izay nandidiany ireto: –Lazao ny Israelita hitondra ombivavy mena izay tsy misy kilema na tsininy ary tsy mbola nampitondraina zioga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Izao no didin’ny lalàna nandidian’i Iaveh, nataony hoe: Ilazao ny zanak’i Israely hitondra omby vavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian’i Jehovah: Lazao amin’ny Zanak’Isiraely mba hitondrany vantotr’ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no lalàna hotandremana, dia izay nandidian’NY TOMPO: Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hitondra vantotra ombivavy mena iray, izay tsy misy kilema na tsiny sady mbola tsy nasiana zioga.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.


«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.


Arahiny maso ny fahotako izay toy ny vona eo an-tanany; mitambesatra eo am-bozoko ny ziogan’ny Tompo, ka nampiketraka ny heriko; natolony eo an-tanam-pahavalo aho ka tsy afa-manohitra ireny.


«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin’ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisôpa ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina.


Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nampita


Dia haka hazo sedera sy rantsana hisôpa ary lamba jaky ny mpisorona ka hanipy azy eo amin’ny afo andoroana ilay ombivavy.


Dia hoy i Elehazara mpisorona tamin’ny miaramila nandray anjara tamin’ny fanafihana: –Izao no fepetran-dalàna izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy:


Dia novalian’ny anjely hoe: –Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.


mba hahafantarana ny tanàna izay akaikin’ny faty indrindra. Ary ny loholon’io tanàna io dia haka vantotr’ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina na novesaran-jioga hitarihany;


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Zavatra momba ny hanina sy ny fisotro ary ny fidiovana samihafa ireo, dia fitsipika ivelambelany ihany izay voadidy hatao mandra-piavin’ny fotoanandro hanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka;


ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,


Koa manamboara sarety vaovao, dia makà ombivavy roa mitaiza sady tsy mbola nitondra zioga, ka rohizo amin’ny sarety, ary dia saraho aminy ho any am-balany ireo zanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra