21 Ny sisa amin’ilay ombilahy kosa hasain’ny mpisorombe hoentina any ivelan’ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin’ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an’ny fiangonan’ny Israelita.
21 Ary ilay vantotra ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny nandoroany ny vantotra ombilahy voalohany. Fanatitra fanadiovana ho an’ny fiangonana izany.
21 Ny sisa amin’ilay ombilahy kosa hasain’ny mpisorombe hoentina any ivelan’ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin’ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an’ny fiangonan’ny Israelita.
21 Ary ny vantotr’ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr’ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an’ny fiangonana izany.
21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
Ho sorona fanalana ny otan’ny mpisorona izany. Fa ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy kosa, toy ny henany, ny hoditra mbamin’ny tain-drorohany, dia dory amin’ny afo any ivelan’ny toby.
Ny andro voalohany amin’ny fety no hanoloran’ny printsy filoha ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakany rehetra.
Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.
Ary ny ombilahy sy osilahy, izay natao sorona fanalana ny ota sady samy efa nangalana ra mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia hindaosina any ivelan’ny toby, ka hodorana ny hodiny sy henany ary dikin-drorohany.
«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.
Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Kanefa ny sorona fanalana ny ota, izay angalan-dra hoentina ao amin’ny Tranolay fihaonana mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin’ny Toeramasina, dia tsy hohanina ny henany fa hodorana amin’ny afo.
Fa ny tenan’ny ombilahy kosa, izany hoe ny hodiny sy ny nofony ary ny dikin-drorohany, dia nodorana tany ivelan’ny toby, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.
Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.
Entin’ny mpisorombe ao amin’ny Toeramasina Indrindra ny ran’ny biby hatao sorona ho fanalana ny ota; fa ny fatin’ireo biby ireo kosa dia dorana any ivelan’ny toby.