Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 4:22 - DIEM PROTESTANTA

22 «Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Raha misy mpanapaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ny didin’NY TOMPO Andriamaniny amin’izay tsy tokony hatao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 «Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah Andriamaniny amin’izay tsy tokony hatao ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:22
15 Rohy Ifampitohizana  

Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.


Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.


«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.


«Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran’ota.


«Mety ho tsy nahy no nandikanareo ny iray amin’ireo didy rehetra nolazaiko tamin’i Mosesy,


Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.


hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.


Nivoaka nitsena azy teo ivelan’ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana rehetra.


dia niteny tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan’ny fiangonana izy roa tonta ka nanao hoe:


dia hifidy tanàna izay hataonareo tanàna fialokalofana, mba hialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra