Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon’ilay omby vavy, sy hametraka azy amin’ny toerana madio anankiray any ivelan’ny toby, hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely izany, hatao amin’ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia hangonin’izay lehilahy madio anankiray ny lavenon’ilay vantotr’ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby eo amin’izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Izay farafara andrian-dravehivavy io sy zavatra ipetrahany mandritra ny fadimbolany, dia haloto avokoa.


«Amin’izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.»


Izay mikasika fatin’olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin’ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan’ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.


Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon’ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.


Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.


Ento any amin’i Elehazàra mpisorona izany mba havoakany eny ivelan’ny toby, ary hovonoina eo anatrehany.


Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro.


Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an’ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.


Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.


Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Na dia ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy nodorana aza, rehefa afafy amin’ny olona voaloto, dia manadio azy ho afaka amin’ny fahalotoana ivelany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra