Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Izay nanangona ny lavenon’ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely sy ho an’ny vahiny mitoetra eo aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotr’ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an’ny Zanak’Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:10
10 Rohy Ifampitohizana  

«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»


ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.


«Izay miditra ao amin’izany trano izany mandritra ny fe-potoana manontolo ilazana azy hoe hihidiany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


Ilay lehilahy nandoro azy dia hanasa fitafiana sy handro koa, vao hiditra ny toby.


Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.


«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra