«Izany no fomba hatao amin’ny fanaovana sorona omby na ondrilahy na zanak’ondry na zanak’osy anankiray.
Nomery 15:10 - DIEM PROTESTANTA ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany. Baiboly Katolika ary divay antsasaky ny hina, no hatolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin’ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh izany. Baiboly Protestanta Malagasy ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah. Malagasy Bible ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO. |
«Izany no fomba hatao amin’ny fanaovana sorona omby na ondrilahy na zanak’ondry na zanak’osy anankiray.
ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin’ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.
Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.
Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an-tranon’ny TOMPO tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin’izy mivady niaraka tamin’ny zaza: vantotr’ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran’ny siny hoditra.