Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:15
15 Rohy Ifampitohizana  

Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.


fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO, ary izay nioty ny voaloboka ihany no hisotro ny divay eo an-kianjan’ny tempoliko.»


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.


Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.


«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an’Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin’ny koba lafarinina miharo menaka.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


ary makà ombilahy sy ondrilahy anankiray avy mba hovonoina ho sorom-pihavanana eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, miaraka amina fanatitra lafarinina voaharo menaka; fa anio no hisehoan’ny TOMPO aminareo».


ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.


Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra