Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:14 - DIEM PROTESTANTA

14 ary hitondra sorona ho an’ny TOMPO, dia ondrilahikely iray taona tsy misy kilema ho sorona dorana manontolo sy ondrivavikely iray taona tsy misy kilema ho sorona fanalana ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 ary hanolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy iray izay feno iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana manontolo, ondrivavy iray izay iray taona sady tsy misy kilema, hatao fanatitra noho ny ota, ondrilahy iray tsy misy kilema, ho fanati-pihavanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 ary hitondra sorona ho an’ny TOMPO, dia ondrilahikely iray taona tsy misy kilema ho sorona dorana manontolo sy ondrivavikely iray taona tsy misy kilema ho sorona fanalana ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorom-pihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ary hanatitra ny fanatiny ho an’i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.


Biby matavy no atolotro hodorana, ombilahy sy ondrilahy ary osilahy, ka dia handraraka tsara ny etony. Fiatoana


«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


«Rehefa ondry na osy no atolotra amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra.


«Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha ondry no entin’ilay olona mba ho sorona fanalana ny ota, dia aoka ny vavy tsy misy kilema no hoentiny.


«Raha olona tokana kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy anankiray vao iray taona no hatolony ho sorona fanalana ny ota.


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra