nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Nomery 13:2 - DIEM PROTESTANTA –Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy. Baiboly Katolika «Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin’izy ireo avy.» Baiboly Protestanta Malagasy Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ny Zanak’Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ny fireneny avy. Malagasy Bible Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy. La Bible en Malgache Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana izay omeko ho an’ny Zanak’Israely. Lehilahy iray avy amin’ny fokony avy no hirahinareo, koa izay samy lehiben’ny fokony avy. |
nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.
Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.
Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.
Nanao fahadisoana toy izany koa ny rainareo, raha nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany Kanahàna izy.
Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.
Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.