Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 18:25 - DIEM PROTESTANTA

25 nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 fa nifidy izay lehilahy mahay tamin’i Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin’ny vahoaka ireo ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia nofidin’i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 18:25
9 Rohy Ifampitohizana  

ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.


Nampilaharin’i Davida ny miaramila izay niaraka taminy ka nanendreny mpifehy arivo sy mpifehy zato hibaiko azy.


Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Narahin’i Mosesy avokoa ny torohevitry ny rafozany:


Ireo no filoham-pianakaviana voafidin’ny fiangonana sady filohan’ny miaramilan’i Israely ihany koa.


Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.


Nankasitrahan’ny besinimaro izany teny izany. Dia nofidin’ny mpianatra i Stefàna lehilahy vontom-pinoana sy feno Fanahy Masina, ary koa i Filipo sy i Prôkôro, i Nikanôra sy i Timôna, i Parmenà ary i Nikôlà; ka i Nikôlà dia hafa firenena avy any Antiôkia, efa mpanaraka ny fivavahana jiosy.


Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra