Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ny loholon’ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ny trano-lay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:16
14 Rohy Ifampitohizana  

Ampian’ireo zanakalahin’i Jôsefa anankiroa teraka tany Ejipta izany, dia fitopolo no isan’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta.


nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.


Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely.


Avy teo dia niara-nandeha izy mirahalahy, ka namory ny loholona rehetra tao amin’i Israely.


Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin’ny mpanefy tanimanga, dia makà loholona avy amin’ny vahoaka ary loholona avy amin’ny mpisorona hiaraka aminao.


Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.


Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin’ny TOMPO tamin’ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin’ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana.


Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datàna sy i Abirama sady narahin’ny loholon’i Israely.


Taorian’izany, dia nifidy 72 lahy hafa indray ny Tompo, ka nirahiny tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra mbola halehany.


Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe: –Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony aza rehefa nodidianay tamin’ny anaranao!


Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.


Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.


Vorio eto amiko ny loholona sy mpifehy rehetra isam-poko, mba hilazako mivantana izao teny izao; ary hantsoiko ny tany aman-danitra mba ho vavolombelona aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra