Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy hianao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:17
32 Rohy Ifampitohizana  

Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy.


Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.


Raha nahita izay nataon’i Elisà avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin’i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin’i Elisà ny fanahin’i Elià.» Ary lasa nitsena an’i Elisà ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany,


Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin’i Elisà: –Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao. Ary hoy i Elisà: –Mba te hahazo anjara roa amin’ny fanahinao re aho.


Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.


Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga atỳ aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery!


Ireo no hitsara ny vahoaka isan’andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin’izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.


Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.


Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.


Nidina tao tamin’ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin’i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe «Ny TOMPO».


Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana. Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko ary amin’ny taranakao ny fitahiako.


Tamin’izay ny vahoakan’Andriamanitra dia nahatsiaro ny tantarany fahiny, dia izay tamin’ny andron’i Mosesy: «Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin’ny ony, Ilay ho mpiandry ny andianondriny? Nankaiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?


Ary nidina teo amin’ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin’i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin’i Mosesy ka nanomezany ho an’ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.


Nidina tanatin’ny andry rahona ny TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny Tranolay ary niantso an’i Aharôna sy i Miriama. Dia samy nandroso izy mianadahy,


Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?


Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,


Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.


Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.


Ny Fanahy Masina efa horaisin’ireo nino an’i Jesoa no voalazany tamin’izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.


Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy.


Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen’Andriamanitra anay.


Koa izay mandà izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.


Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.


Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra.


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra