Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 13:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’i Jehovah; ary samy lohan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary nandefa azy ireo avy tao an-tany efitra Parana i Mosesy, araka ny didin’NY TOMPO; ary samy lehiben’ny Zanak’Israely ireo lehilahy rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.


Rehefa izany, dia niala tao Hatserôta ny vahoaka ka nitoby tao an-taniefitr’i Paràna.


–Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Toy izao avy ny anarany: I Samoa zanakalahin’i Zakora, avy amin’ny fokon’i Reobena;


Nanao fahadisoana toy izany koa ny rainareo, raha nirahiko avy tao Kadesy-Barnea hisafo ny tany Kanahàna izy.


–I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona no hisahana ny fizaràna ny tany.


Dia niala tany Hôreba isika, araka ny nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,


Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko.


Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.


Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra