Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 1:47 - DIEM PROTESTANTA

Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita, araka ny fokony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy mba nisaina niaraka tamin’ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

FA ny Levita, araka ny fireneny kosa, dia tsy mba nalamina ho isan’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita*, araka ny fokony.

Jereo ny toko



Nomery 1:47
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny fokon’i Levỳ sy i Benjamîna dia tsy mba nanaovan-dry i Jôaba fanisana niaraka tamin’ireo, satria tena tsy nankasitrahin’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka.


dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharôna no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.


Hoy manko ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.


Niteny tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay ny TOMPO ka nanao hoe:


–Ataovy ny fanisana ny taranak’i Levỳ isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao.