Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
Mpitsara 6:19 - DIEM PROTESTANTA Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo. Baiboly Katolika Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin’ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin’ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin’ilay hazo terebinta ka natolony Azy. Malagasy Bible Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy. La Bible en Malgache Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha*; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy. |
Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.
Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.
dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.
Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao.
Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.