Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 13:20 - DIEM PROTESTANTA

20 dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara Ilay Anjelin’i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Rehefa niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara ilay Anjelin’NY TOMPO. Ary nijery izany i Manoa sy ny vadiny dia niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 13:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.


Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Ary nanatona an’i Araonà i Davida; vao nijery kosa i Araonà ka nahita an’i Davida, dia niala teo amin’ny famoloana ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.


Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.


Nofidiny ny zaratany holovanay ka izany no ireharehanay, satria izahay taranak’i Jakôba dia vahoaka tiany tokoa. Fiatoana


Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin’izany toa sezafiandrianana izany, terỳ an-tampon’ny andohalambo dia nisy hoatra endrik’olombelona.


Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.


Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin’ny tany.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin’ny tany.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.


Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra